Sosialy

TANY ETO MADAGASIKARA Ny 20% ihany no misy taratasy ara-dalana


  • Zoma 03 Martsa 2023

Ny 20%-n’ny tany eto Madagasikara ihany no misy taratasy ara-dalana hatreto. Ny ankoatra izay dia tafiditra anaty boky rovitra ka manano sarotra ny mikaroka azy….

Izany indrindra no antony nitsidihan’ny Ministra Holder Ramaholimasy niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy tao amin’ny sampandraharahan’ny fananantany omaly maraina. Nambarany nandritra izany fa mila irosoana maika ny didy fampiharana ny lalàna mifehy ny boky rovitra sy sarin-tany rovitra satria miteraka fahavoazana eo amin'ny fiainan'ny olona maro izany. Ny bokin-tany mantsy no porofo manamarina ny mahatompon'ny tany ny olona iray. Nilaza ihany koa ny Ministra fa hanampy ny Ministera ny Banky iraisam-pirenena amin’ny fanatsarana sy fanavaozana ny Sampandraharahan'ny fananan-tany sy ny fandrefesan-tany amin'ny alalan'ny tetikasa PRODIGY. Namboarina sy nohatsaraina ny lalàna, ovaina ny fomba fiasa, ary indrindra hiady amin’ireo mafia ny tany ny ministera manomboka izao. Nohamafisiny fa an'ny Malagasy ny tany ary ny mpiasan'ny fananan-tany sy ny fandrefesan-tany dia manampy, mikarakara,ary manakaiky ny vahoaka fa tsy sanatria ho mpanararaotra indray.
Nangonin’i Pati
Legende : Ny ministra nijery ny boky rovitra omaly !


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT