Sosialy

Tany eny Ankadiefajoro Andoharanofotsy Naneho ny hafaliany ireo mponina nomena azy


  • Alarobia 04 Aogositra 2021

Taorian 'ny fidinana ifotony teny Ankadiefajoro Andoharanofotsy, fokontany Morarano Atsimondrano , izay faritra nihaviany ihany koa, nataon’ny depiote Naivo Raholdina

 mivady sy ny mpiara -miasa aminy ny alakamisy 22 jolay lasa teo ka nihainoany ny fitarainan'ny mponina sy ireo mpikambana « Madagascar Alzheimer Masoandro Mody » fa efa tamin'ny taona 2005 no tsy hita ny dosiean' izy ireo izay mirefy 1ha 96a 94ca dia naneho ny hafaliany ireo mponina raha tonga nanatitra ny "Certificat de situation juridique " teny an-toerana ny depiote, Naivo Raholdina mivady sy ny ekipa manamarina fa « mise à la disposition gratuite » amin 'izy ireo io tany io ankehitriny rehefa notadiavina nandritry ny herinandro mahery ka hita ihany ary niasana hatramin'ny faran'ny herinandro ny fikarakarana izany. Isaorana manokana ny Minisitera Fanajariana ny Tany, ny tale jeneraly misahana ny fananan-tany na « domaine » sy ireo mpiasa niara-nisahalahy tao amin'ny « domaine » sy « topo » rehetra nikarakara an'izany fa tsy mba nihevitra ny depiote Naivo Raholdina ho mpanao « intervention », hoy ity depiote ity. Fantatra ihany koa fa tanim-panjakana teo aloha ilay lalana nisy nanampina teny an-toerana ihany ka efa manao fangatahana ny hamerenana izany ho lalam-pokonolona ihany koa i Naivo Raholdina, hoy ny fampitam-baovao.Toy izany koa ny tokontanim-pasan'ny taranaky ny printsy Ratsimamanga eny Ambohidrapeto ,tanim-panjakana izay lasan 'ilay vadim -bazaha monina any Antsiranana ka efa nanao fangatahana fanafoanana an 'io ihany koa ireo taranak'Andriana eny an-toerana izay arahan'ny solombavambahoaka akaiky amin'ny maha filohan'ny vaomieran'ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany azy eny anivon'ny antenimieram-pirenena, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT