Sosialy

Tany Alaotra ny governemanta Manomboka anio ny fanarenana ny RN44


  • Talata 28 Janoary 2020

32 maty, 10 tsy hita popoka, 116 675 ny traboina, 14 103 ny trano dibo-drano, 1517 ny simba, ary olona 16 030 ireo voatery nafindra toerana.

 

 

 

Ireo no tatitra voaray avy amin’ny BNGRC omaly tamin’ny 10 ora maraina. Nijery ifotony ireo distrika tena voa mafy sy ny vahoaka tra-boina tany Alaotra-Mangoro kosa ny delegasionina notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly. Nitsidika ny kaominina Ambatomainty, distrikan’Amparafaravola nijerena ireo izay tena laharam-pahamehana amin’ny fanarenana atao. Misy ireo làlana tapaka, digue simba sy fahavoazana maro ka izay indrindra hoy ny Praiministra, no nitondrana ireo mpikambana ao anatin’ny governemanta, toy ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy, ny minisitry ny Fambolena, ny Fiompiana sy ny Jono, ny minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana; mba hahafahana mijery ireo fotodrafitrasa simba ary mijery ny fanarenana izany ao anatin’ny fotoana fohy. Hojerena haingana ny « radier » ao Ambatomainty ary efa mikaon-doha ireo minisitra, amin’ny fijerena ny fametrahana fotodrafitrasa maharitra mandritra izao fanarenana izao. Taorian’izay dia nitarika dinik’asa niarahana tamin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny tao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka nitadiavana vahaolana hamerenana amin’ny laoniny ny fiainan’ny mponina andavan’andro. Tapaka àry fa miantomboka anio ny asa fanarenana ny RN44 ary ny alakamisy kosa ny RN3A, mba ahafana mamerina ny famatsiana ny solika izay iankinan’ny sehatry ny famokarana. Eo ihany koa ny fanarenana ireo tohadrano roa lehibe izay iankinan’ny lemak’i Alaotra, ary ny fandefasana ireo fitaovana entina hamonjena ireo olona izay mbola miaina ao anaty rano. Tokony hiara-hisalahy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, hoy ny Praiminisitra. Nisy ny fanampiana vary 13, 800 taonina, voamaina 20 lasaka amin’ny 50kg, menaka 900 litatra, savony 93 baoritra ary siramamy 16 lasaka amin’ny 50kg nentin’ny fanjakana.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT