Mpiasa very asa miisa 849 no efa nisitraka fampiofanana avy amin’ny CNaPS tamin’ny alalan’ireo mpiara-miombon’antoka aminy, mba ho tantsoroka sy famerenana azy ireo indray eo amin’ny tontolon’ny asa,
na famoronana asa mahaleo tena. Miisa 150 no notolorana ny taratasy famantarana ny fahavitana fiofanana omaly 29 jolay tetsy amin’ny CNaPS 67Ha. Lanonana natrehin’ireo mpiara-miombon’antoka nampiofana sy nanao tantsoroka : CCIFM, INPF, MPE, CDA, CENAM, ECCOVA, ary ny IPAC. Nanomboka ny fiandohan’ny 2021. Nanao fifaranaham-piaraha-miasa marolafy tamin’ireo ivon-toerana fanofanana arak’asa maro, tamin’ny alalan’ny fampiasana ny latsakemboka nalohan’ny mpiasa ny CNaPS. Ho an’ny enim-bolana voalohan’ny taona, 849 tamin’ireo mpikamban’ny CNaPS very asa miisa 1079 nanao fangatana voaray no efa nisitraka fiofanana. Nahatratra 84 829 ora ny fiofanana izay nosantarina tamin’ny fanomanana ara-tsaina nataon’ny “psychologue de travail” avy amin’ny CCIFM. Nisy ny tantsoroka teknika momba ny fitadiavana asa, fanamboarana “CV”, fombafomba fiatrehana ireo mpampiasa,... Narahina tantsoroka manampy amin’ny asa, toy ny fampianarana teny vahiny, informatika, secretariat,… Ho an’ireo mirona kokoa amin’ny asa tena nisy ny fiofanana samihafa: fanaovana mofo mamy, taovola sy fikarakarana tarehy, zaitra, fikirakirana ireny milina fanjairana amin’ny orinasa afak’haba,… Ny 40% tamin’ireo nahavita fiofanana tratra antso izay nanontaniana no efa tafaverina amin’ny asa na miasa tena hatreto. Tsy mijanona fotsiny amin’ny resaka fiantohana fotsiny ny CNaPS fa tena manampy ireo mpiara-miombon’antoka indrindra fa ireo marefo, mba hivoarany amin’ny fiainany, hoy Atoa Yvan Rakotomalala Talen’ny hetsika sy fanentanana ara-piarahamonina eo anivon’ny CNaPS.
2000 ISAKY NY 3 VOLANA NY VERY ASA
2000 eo isaky ny telo volana ny taratasy fanalana mpiasa avy amin’ny orinasa na “Avis débauchage” voarain’ny CNaP. Tsy niova firy io nanomboka ny martsa 2020, ary tsy mbola misy taratasy fampidirana azy amin’ny asa na “Avis d’embauchage”. Betsaka ireo very asa tokony hisitraka fampiofanana sy tan-tsoroka, izay anaovan’ny CNaPS antso avo. Ireo mpikamban’ny CNaPS very asa nahaloa latsakemboka 3 volana nanaovana “avis de débauchage” no afaka misitraka fiofanana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.