Sosialy

Tantsaha mpamokatra Olana ny fitadiavana lalam-barotra


  • Alakamisy 04 Aogositra 2022

mahatsiaro ho sahirana mafy amin’ny fitadiavana lalam-barotra ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika.

Miezaka ny mamokatra tsy mijanona izy ireo saingy ny mampalahelo hoy ny sasany dia tsy hita indray ny hanaovana ny vokatra rehefa tena mitobaka. Ho an’ny vokatra voatabia ohatra dia zary lasa lo sy potika fotsiny izy ireny rehefa tsy misy mpividy ao anatin’ny 2 na 3 andro… Saika voakasik’izany avokoa rehefa mety ho famokarana hoy hatrany izy ireo fa tsy ny voatabia ihany. Ho an’ny koperativa Tambatra avy any Miarinarivo Itasy raha araka ny fanazavan’Atoa Pary, dia miompana amin’ny famokarana masomboly vary, ny trondro ary ny zana-kazo fihinamboa ny asa hataon’izy ireo. Mbola tena sarotra anefa ny fitadiavana lalam-barotra hoy hatrany izy ireo ankoatra ny trondro. Ny trondro mantsy dia hakarina isaky ny 5 volana ary manana habe 250 grama ka hatrany amin’ny 300 grama ao anatin’izay fotoana lavalava izay. Havoaka 15.000 ka hatramin’ny 25.000 Ar kosa ny iray kilao eny amin’ny Fier Mada miankina amin’ny habeny sy ny hatsarany. Ho an’ity koperativa iray ity dia mahatratra 50 ara ny tany hiompiany trondro ao Miarinarivo ka ho an’ny tany mirefy 10 ara dia fantatra fa manodidina ny 1.000 isa eo ho eo ny zana-trondro ilaina.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT