Sosialy

TANTSAHA MPAMOKATRA Lasa olana goavana ny halafosan’ny zezika


  • Alarobia 10 Aogositra 2022

Tsy ireo kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ihany no miaka-bidy eny an-tsena amin’izao. Ho an’ireo tantsaha mpamokatra ihany koa mantsy dia midangana izaitsizy ny vidin’ny zezika,

raha olana hafa ihany koa ny vidin’ny masomboly hahafahana manatanteraka ny teknikam-pambolena mifanaraka amin’ny toetr’andro. Fantatra izany omaly nandritra ny atrikasa notanterahin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny tetikasa Papriz, tetsy amin’ny le pave Antaninarenina. Raha araka ny fanazavan-dRtoa Zoelinirina Patricia, mpandrindra nasionalin’ity tetikasa ity dia efa nisy ny fametrahana paikady sy teknikam-pambolena novolavolain’izy ireo. Faritra 23 no efa nanatanterahan’izy ireo ny tetikasa izay efa tafakatra 5 hetsy taonina isaky ny ha ny vary miakatra. 2 taonina isaky ny ha kosa ny vokatra farany ambany indrindra izay mbola hanaovana ezaka manokana. Efa mihoatra ny 70.000 isa moa ireo tantsaha mpamokatra miaina sy mampihatra ity tetikasa hiarahana amin’ny Papriz ity ankehitriny manerana ny Nosy ka mbola ezahin’izy ireo hatrany ny hanohy izany.
Pati
Legende : Rtoa Zoelinirina Patricia, mpandrindra nasionalin’ny tetikasa Papriz 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT