Tantsaha mpamokatra any Betafo

Notoloran’ny Fanjakana foibe zezika


  • Alatsinainy 17 Novambra 2025

Nidina tany amin'ny kaominina

ambanivohitr' Andranomafana Distrikan'i Betafo ny Minisitry ny Fambolena sy Fiompina RASATARIMANANA José Nirina,taorian'ny fihaonana sy fifampiresahana tamin'ny depiote Livasoa Randriatahinamalala tao amin'ny Antenimieram-pirenena. Nandritra ny kabariny no nanamafisan'Atoa minisitra fa tonga ary henon''ny fanjakana foibe ny hetahetan'ny vahoakan'i Betafo dia ny fijerena ireo vahoaka mihoatra ny 85% izay mpamboly sy mpiompy avokoa. Tonga aho ary nidina aty Betafo aho hoy Atoa Minisitra nandritra ny kabariny rehefa avy nifampiresaka sy nihaona depiote Livasoa tao amin'ny birao sy tao Tsimbazaza. Nanamarika ny fiainako ity fidinana iry satria fidinana voalohany taorin'ny nahavoatendry ahy ho Ministra. Nandritra ny kabarin'i depiote Livasoa kosa no nisaorany ny fitondram panjakana tarihin'Andriamatoa Colonel Mickaël RANDRIANIRINA izay naniraka ny minisitra fambolena sy fiompina hidina ifotony aty Betafo. Midika zavatra marobe izao fidinana sy fandalovana voalohan' ny minisitra ny fambolena izao,isan''ny nitolona sy niaritra lacrymogène ary niaina fandrahonana ho samborina ary nametraka dian-tanana ny amin'ny fametrahana izao fitondrana izao ny tenako ary tsy seza no mahamaika ahy fa ny fametrahana ny tena n laharam pahamehana ny hetahetan'ny vahoakan'i Betafo dia ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra. Saro-piaro tanteraka amin'ny fitondrana aho ary vonona hifanome tanana mandrakariva amin'ny fitondrana misy. Tsy hadinony ihany koa ny nisaotra sy nankasitraka ary nidera ny firaisakin'ny service technique rehetra nisy tao Betafo izay tarihin-dRtoa Lehiben'ny Distrikan'i Betafo. Amin'ny anaran'ny vahoakan'i Betafo tsy an-kanavaka no hisaorana ny fitondrampanjakana misy amzao fotona sy ny ministre fa nahazo zezika ny vahoaka Betafo satria tsy nitondra tanam-polo fa tena nitondra fanoitra ho fampiakarana ny vokatra. Tapitra hatreo hoy ny depiote Livasoa ny fiandrasana sy fanazarana ny vahoaka amin'ny kitolotolotra vatsy tsinjo fa andao isika hamokatra. Hataontsika hita taratra any amin'ny aty vilanin'ny vahoaka malagasy fiovana. Nifanarana tamin'ny fizarana zezika moa ny fitsidina izay nataon'ny minisitra.
Pati
Légende : Nandritra ny fizarana ny fanampiana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT