Sosialy

Tantsaha Malagasy Mampidi-bola 15 tapitrisa Ariary isan-taona


  • Alarobia 26 Oktobra 2022

Eo 80% maherin’ny malagasy dia mbola tantsaha hatramin’izao, hoy isika, hoy ny tale jeneralin’ny banky malagasy NIM na “nouvelle institution de microfinance”,

Harizaka Rakoto. Tao anatin’ny fandinihana natao no nahitanay fa manana fidiram-bola eo amin’ny 15 tapitrisa Ariary isan-taona eo ny tantsaha iray, hoy izy. Manana fandaniana manodidina ny 12 tapitrisa Ariary eo. Tokony hanana tahiry avokoa, araka izany, isika malagasy raha misy ny fifanohanana, raha misy ny fifanampiana amin’ny fampianarana fitantanana, fihezahana manao tahiry, arakaraky ny fidiram-bola izay fa tsy voatery hoe izay tonga lany foana. Jerena ny fomba rehetra ahafahantsika mitsinjo ny vody andro merika. Tsy miara-tonga tsinona ny fotoam-pijinjana sy famafazana. Atao izay hahafaha-mitsinjara hampaharitra mandava-taona ny tahiry na ara-bokatra, fitaovana, vola io. Mila fanohanana ara-bola, saina, torohevitra madinidinika miantraika tanteraka any amin’ny fiainany andavan’andro mihitsy izy ireo satria ilay fari-pahatakarana izay zavatra izay tsy mitovy. Ny sarambaben’ny tantsaha izay eo anelanelan’ny madinika indrindra sy ambony indrindra eto no resaka. Tsy voatery ho manana tany koa fa betsaka ny tantsaha manofa tany na manao fifanarahana amin’ny tompon’ny tany amin’ny fambolena ataony, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT