Sosialy

Tantsaha eny ifotony Nangataka toerana hahafahany mivarotra vokatra bio


  • Zoma 23 Oktobra 2020

Efa mifangaro be eny an-tsena amin’izao ireo karazam-bokatra nampiasana ny akora simika sy ireo tena mbola bio (voajanahary) na tsy nampiasa akory simika hoy isika.

 

 

 Efa nahitana izany mihitsy teny Talatamaty teo aloha saingy ankehitriny lasa nifangaro voraka izany ka velon-taraina ireo tantsaha mpamokatra. Ho azy ireo mantsy dia ny fitsinjovana ny fahasalaman’ny daholobe no tanjona hiarovana ny fihanak’ireo aretina maro isan-karazany toy ny homamiadana. Nangataka izany tamin’ny AFAFI Centre na ny « Programme d’Appui au Financement de l’Agriculture et aux Filières Inclusives dans le Centre de Madagascar » ireo tantsaha notsidihiny. Raha araka ny fantatra mantsynamatsy vola 54 tapitrisa Ar ho an’ny sehatry ny fambolena, ny jono ary ny fiompiana eto amintsika izy ireo, vokatry ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeana amin’ny alalan’ny FED andiany faha-11. Mbola tafiditra ao anatin’ilay famasiam-bola natao nanomboka tamin’ny taona 2014 hifarana amin’ity taona ity ihany izany, nosoniavina tamin’ny 29 Aogositra taona 2019.Kaomiina miisa 50 no mahazo tombony amin’izany ato anatin’ny Faritra Analamanga sy Itasy. Tanjon’ity fandaharan’asa ity moa ny hanatsarana ny fari-piainan’ireo tantsaha sy hiantohana ny fandriampahalemana ara-tsakafo ao anatin’ireo faritra roa ireo, raha araka ny fanazavan-dRaharison Herilalaina, tompon’andraikitra eo anivon’ny tetikasa Afafi Centre izay miaraka amin’ny BACE.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT