Sosialy

Tantsaha ao Fiombonana Novatsian'ny Depiote Ratsimbazafy Alain masomboly


  • Alarobia 10 Aogositra 2022

Miomana amin’ny taom-pambolena manaraka ny tantsaha ao amin’ny Kaominina Fiombonana Distrika Antananarivo Atsimondrano.

Mahatsiaro sahirana anefa ny tantsaha eny an-toerana manoloana ny halafosan'ny akora sy kojakojam-pambolena toy ny zezika sy masomboly. Nidina teny ifotony nitafa sy nidinika tamin'ireo tantsaha ny solombavambahoaka TIM voafidy tao Antananarivo Atsimondrano Ratsimbazafy Alain. Nangataka fanampiana ireo tantsaha nohon' ny fahalafosan'ny masomboly, ho avy rahateo ny fotoana fanetsana. Namaly ny antson'ireo tantsaha ireo ny depiote, ka nanolotra masomboly (vary X 265), ho azy ireo tao amin'ny Kaominina Fiombonana. Nirary azy ireo mba hahavokatra tsara, ary mba hanana ambim-bava amin’ny hoavy ingahy depiote.
Jean D. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT