Sosialy

Tantsaha ao Antanifotsy Mahatsiaro ho resy, 500 Ar monja ny paoma iray kilao


  • Talata 28 Martsa 2023

Mahatsiaro ho resy amin’ny asa fivelomany sy ny fihariany tanteraka ireo tantsaha mpamokatra ao anatin’ny distrikan’Antanifotsy.

Tafidina 500 Ar mantsy amin’izao ny iray kilao amin’ny paoma toy ny ao Antsapandrano. Mivarotra fatiantoka izy ireo vokatr’izany. Tsy nisy vokatra ireo ezaka natao tamin’ny asa famokarana toy ny fikarakarana ny paoma, ny fiambenana izany amin’ny alina, ny fividianana fanafody bibikely…ka mampitaraina fatratra azy ireo. Noho ny haratsian-dalana any an-toerana moa no voalaza fa mahatonga izany ka tsy hahafahana mamoaka ny vokatra ara-dalàna. Saika nampanantena ny hanao sy hanamboatra io lalana io avokoa anefa ireo olom-boafidy nanao fampielezan-kevitra tany an-toerana saingy nijanona ho resabe fotsiny izany hatreto.
Pati
Legende : Fanampiana no ilain’ny tantsaha fa tsy fanararaotana sy fanambakana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT