Sosialy

Tantsaha any Arivonimamo Nahazo torohevitra momba ny fiahiana ara-tsosialy avy amin’ny CNaPS


  • Alarobia 27 Jona 2018

Iray amin’ireo distrika be mponina amin’ireo telo mandrafitra ny faritr’Itasy ny distrikan’Arivonimamo.

Tahaka ny tontolo ambanivohitra rehetra ihany, mbola maro an’isa kokoa ny tantsaha. Maro amin’izy ireo no tsy mbola misitraka ny zo ara-tsosialy tahaka ny mpiasa tena kanefa tsy havela amin’izao fa efa eo am-panatanterahana fanadihadiana lalina momba ny fiahiana azy ireo ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy (CNaPS) tarihin’ny tale jeneraly, Arizaka Rabekoto Raoul. Mifanojo amin’izay indrindra ny famelabelaran-kevitra natao nandritra ny foara “Fivoarana” tany an-toerana. Nanatona ireo mponina ireo tany an-toerana tamin’ny alalan’ny tranoheva ny CNaPS ka namaha ireo olana samihafa izay nitarainan’ny olona. Nanome fanazavana ihany koa araka izay nanitikitika ireo mpitsidika, indrindra nanazava ny anjara andraikitry ny CNaPS eo amin’ny andavanandro araka ny namaritan’ny lalàna azy. Nahafahana nandray ny soso-kevitra avy any amin’ny olona ny amin’ny fomba hanatsarana ny fanadihadiana efa vita sy natao mikasika ny andavanandrom-piainan’ny tantsaha ka hametrahana rafitra hitantana ny fiahiana ara-tsosialin’ny mpamokatra. Tratra ny tanjona raha ny amin’izay tiana hiaviana no jerena, hoy Rakotomalala Yvan, mpandrindra ny sampandraharaha ao amin’ny CNaPS.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT