Sosialy

Tantsaha 200 isa Nomen’Ambatovy zezika biolojika 30 taonina


  • Alatsinainy 02 Martsa 2020

Tantsaha mpamokatra Sakay sy Sakamalaho miisa 340 mivondrona ao anaty fikambanana tantsaha miisa 15 eo avy amin’ny

 

 

kaominin’Ambanivohitr’Ambohibary, Ambatovola, Morarano gara, Andasibe ary Beforona, ao amin’ny distrikan’i Moramanga no nisitraka ny fanampiana avy amin’ny orinasa Ambatovy ao an-toerana. Ho fandraisana anjaran’ity orinasa mpitrandraka Nikela sy Kaobalita ity amin’ny fanatsarana ny fidiram-bolan’ireo tantsaha, raha ny fanazavana, no antony. Isan’izany ny fampiofanana tekinika sy famatsiana masomboly ary zezi-pahitra. Mikasika ny fokontany Ampitambe, Ambohimanarivo, Mangoro, Morarano ao amin’ny kaominina ambanivohitra Morarano gara sy Ambohibary moa dia tantsaha manodidina ny 200 isa no nomena zezika biolojika 30 taonina eo ampiasaina amina velarantany mirefy 30ha amin’izao fihariana vaovao izao, hoy hatrany ny voambara. Masomboly 23 taonina kosa no nomena ireo tantsaha manodidina ny 120 isa hamboly amina velarantany 11ha eo ao Andasibe.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT