Sosialy

Tantelin’i Boeny Vokarina ho tsara kalitao sy afaka hifaninana eny an-tsena


  • Alatsinainy 20 Martsa 2023

Mahatratra 27.520 litatra isan-taona ny vokatra tantely any amin’ny faritra Boeny. Manodidina ny 2000 ireo tranon-tantely maoderina ary 351 ny mpiompy tantely matihanina any amin’ny distrikan’i Mahajanga II,

Mitsinjo, Marovoay sy Ambatoboeny. Misy ozinina vaovao mpanodina tantely hanosehana ny famokarana tantely any an-toerana mba ho tsara kalitao azo jifaina sy ho afaka mifaninana amin’ny tsena eto an-toerana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena koa. Natolotra tao amin’ny tranon’ny Antenimieran’ny Varotra sy Indostria tao Mahajanga ny faran’ny herinandro teo io milina io, tafiditra amin’ny tetikasa fametrahana Taninketsa Indostrialy. Boeny no Faritra fahaefatra nametrahana izany taorian’Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony ary Menabe. Nambaran’ny Minisitry ny fampiroboroboana ny indostria Edgard Razafindravahy fa marobe ny mpamokatra tantely ao Mahajanga, ka izay no nahatonga izao fanolorana fitaovana fanodinana tantely izao. Hetahetan’ireo kaoperativa any an-toerana rahatreo ny hametrahana ozinina matanjaka ahazoana vokatra tsara. Notsindrian’ny Minisitra fa tsy misy ny fandrosoana raha tsy miainga avy ety ifotony. Tsy hijanona amin’ny distrikan’i Mahajanga ihany anefa izany fa ny distrika rehetra ao anatin’ny faritra Boeny dia heverina fa hametrahana Taninketsa Indostrialy amin’ity taona ity. Tanjona ny ho fampihenana ny fanafarana ny entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny vary, menaka, siramamy. Nanome toky ny solontenan’ny mpiompy tantely sady filohan’ny kaoperativa Mihary, Adily Soamadou, fa « Hanome vokatra tsara be izahay ka ho azo aondrana izany ».
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT