Sosialy

Tanora zanaky ny Faritra Atsimo Tsy manaiky ny tetikasa Toliara Sands


  • Alarobia 22 Aogositra 2018

Nanao fanambarana tetsy amin’ny Telozoro Andrefanambohijanahary ny fikambanana Tanora zanaky ny faritra Atsimo omaly talata 21 aogositra.

Manohitra tanteraka ny tetikasa Toliara Sands izy ireo noho ny voka-dratsy azo amin’ny fitrandrahana fasimainty atao any. Manao antso avo amin’ny tompon’andraikitra rehetra izy ireo ary manentana ny mponina rehetra, indrindra ny any amin’ny faritra Atsimo tsy hanaiky hatramin’ny farany io tetikasa io. Mampidi-doza amin’ny fahasalamana ary tsy tokony hotohizana intsony ny fitrandrahana atao, hoy ireo tanora mpikambana. Raha mbola mitohy io tetikasa io dia hidina any an-toerana izy ireo hamondrona ny hery miaraka amin’ireo olona rehetra efa  manohitra izany any. Tsiahivina fa 40 km avaratr’i Toliara no misy ity tetikasa ity, ao amin’ny tanàna ambanivohitra Tsianisiha sy Ankilimanilika, distrika Toliara II ao amin’ny faritra Atsimo Andrefan’i Madagasikara. Mifototra amin’ny fivangongoana fasika mineraly ao Ranobe izay be velarana ny tetikasa. Efa nahazo fahazoan-dalana ity tetikasa Toliara sands ity ary manodidina ny 300 tapitrisa dolara na 988 290 000 000 Ariary ny vola efa mihodina ao, araka ny tatitra nataon’i Collin Forbes, tale mpitantana momba ny raharaha mifandraika amin’ny kaominina sy ny tontolo iainana. Handrasana ny fihaonan’ny roa tonta hijery ny fandravonana ity olana ity ary mila fandraisan’andraikitry ny fanjakana ihany koa amin’ny fanelanelanana sy izay mety ho vahaolana hatolotra.

Tsirinasolo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT