TANORA TSY AN’ASA-NOVI INFO

Manao hetsika fampiofanana sy tolotr’asa etsy Ankorondrano


  • Alakamisy 07 Martsa 2024

Marobe ireo tanora tsy an’asa eto amintsika no mahatsiaro fanina amin’ny fitadiavana asa.

Toraka izany koa ireo mitady fiofanana hahafahany miditra eo amin’ny sehatry ny asa. Noho ireo antony ireo indrindra no nanosika ny Novi information hikarakara ilay Salon de l’insertion professionnelle et de la formation andiany faha-14 tanterahiny etsy amin’ny gymnase couvert Ankoay Ankorondrano nanomboka omaly. Tsy tambo isaina sahady ireo tanora tonga nanatrika ity hetsika ity omaly izay marihina fa samy efa te-hiasa avokoa hahafahana miady amin’ny fahantrana. Nambaran-dRtoa Sitraka , izay tompon’andraikitra voalohany amin’ity hetsika ity fa anisan’ny tanjon’izy ireo ny hanampiana ny tanora amin’ny fitadiavana asa amin’ny alalan’ireo trano eva miisa 25 izay miara-miasa aminy. Anio Alakamisy 07 Martsa moa no hifarana ity hetsika ity.
Pati
Legende : Tanora mitady asa avokoa ireto tonga nidodododo teny amin’ny gymnase couvert Ankoay Ankorondrano omaly ireto !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT