Sosialy

Tanora mpianatra Hofanina ho mpandraharaha fa tsy hitady asa fotsiny


  • Alatsinainy 25 Febroary 2019

Betsaka amin’ireo tanora mpianatra nahavita fianarana eto amintsika amin’izao no tsy mahita asa akory.

 

  Noho ny fahateren’ny tsenan’ny asa no mahatonga izany ankoatra ny tsy fahampian’ny traikefa sy ny tsy fahafolahana ny tenim-pirenena vahiny. Anisan’ny manao ezaka goavana iadiana amin’izany ny sekoly ambony GSI Madagascar  izay manana ny  foiben-toerany etsy Antaninarenina. Raha ny nambaran-dRandrianaivo Herizo Nina, anisan’ireo tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ity sekoly ambony ity mantsy dia hofaninana ho mpandraharaha afaka hanangana orinasa ho an’ny tenany  mihitsy ireo mpianatra mivoaka ao amin’izy ireo fa tsy hitady asa fotsiny ihany. Tamin’ny faran’ny herinandro teo, ohatra, dia nisy ny kaonferansa lehibe niarahan’ireo mpianatra  ao amin’ny lalam-piofanana informatique de gestion tamin’ireo matihanina ka nisy ny fampisehoana momba ny robot notanterahin’izy ireo. Nisy ihany koa ny fampisehoana traikefa notanterahin’ireo mpianatra ao amin’ny serasera niarahany tamin’ireo matihanina ireo mba hahafahany maka traikefa amin’ny ho avy. Tsiahivina moa  fa miisa valo ireo lalam-piofanana ao amin’ny GSI ankehitriny ka ny informatique électronique et télécommunication sy ny tourisme, voayge et hotellerie no vaovaobe amin’izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT