Sosialy

Tanora manampahaizana Mitombo isa ireo mirona amin’ny asa tenany


  • Alatsinainy 29 Oktobra 2018

Betsaka ireo tanora tsy mihevitra ny handalina fianarana akademika lavabe intsony aorian’ny fahazoany ny maripahaizana Bakalôrea fa mirona avy hatrany any amin’ny fanofanana arak’asa.

 

 

Ny mba hahafahana manokatra orinasa ho an’ny tenany manokana hahafahan’izy ireny mampidi-bola haingana no tena tanjony amin’izany na lahy na vavy. Anisan’ny mamokatra ireny karazana tanora ireny ny sekoly ambony Euroi eny Ampasampito. Mpianatra 30 mianadahy no navoakany notolorana ny maripahaizana licence sy ny  Digem ( diplôme d’ingeniorat en genie electronique manager). Nianatra manokana momba ny eletronika miaro informatika sy telecommunication izy ireo raha ny maripahaizana baka teknika sy ny sokajy C sy D kosa no notakiana taminy. Maro tamin’izy 30 mianadahy ireto ny hanokatra orinasa ho an’ny tenany manokana avy hatrany ka anisan’ireny ny fanokafana sitweb, asa anisan’ny tena mahazo vahana tokoa eto amintsika ankehitriny.

 

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT