Sosialy

TANORA MALAGASY Resy lahatra amin’ny Fitsaboana nentim-paharazana ny ankamaroany


  • Talata 16 Jona 2020

Fomba fitsaboana iray nahazo vahana teto amintsika hatramin’ny niparitahan’ny tsimok’aretina COVID 19 ny fitsaboana nentim-paharazana na dia efa ela aza no nisiany.

 

 

 

 

Namporisika ny Malagasy mpiray Tanindrazana manana traikefa mihitsy ny Filoham-pirenena nandritra izany mba hifanome tanana, ka lohalaharana amin’ireny ireo manam-pahaizana vonona ny hanao ny asa fikarohana hahafahana miady amin’ny tsimok’aretina sy ny viriosy. Hatreto dia marobe sahady ireo tanora resy lahatra fa lalana iray hanandratra ny maha-Malagasy maneran-tany ny fitsaboana nentim-paharazana, izay isika ihany no hany manana azy. Santionany amin’izany ireto tanora avy ao amin’ny FI.TRA.MA nanaiky nitafatafa tamin’ny gazety Tia Tanindrazana ireto.

Razafiarisoa Valisoa, 21 taona avy any Arivonimamo

Hitako tena mahaliana sy mahasoa ny fitsaboana nentim-paharazana. Sady manandratra ny maha-Malagasy mantsy no manampy ny fanjakana ihany koa. Sambany zao no nisy orinasa nitsangana hampiasa ny zava-maniry havadika ho fanafody eto amintsika toy ny FITRAMA izay miasa tsy misy fitaka no sady tsy Dadarabe ihany koa fa tena mampiasa ireo zava-maniry nomen’Andriamanitra antsika hanasoavana ny mpiara-belona.

Nomentsoavina Gasitiana, 20 taona avy any Andramasina

 Mampiseho ny maha-Malagasy amiko ny fitsaboana nentim-paharazana ary tokony hahaliana ny rehetra. Hananantsika rahateo ireo karazana zava-maniry be dia be izay nojerena fotsiny teo aloha hay misy asany eo amin’ny fahasalamana sy manasoa ny rehetra avokoa. Ho anay tanora tena marobe ny fahalalana azo vokatr’izany. Tena mahay ny Malagasy ary mahavita rehefa mifanohana. Ho an’ny aretina dabeta ohatra dia misy zava-maniry afaka manasitrana io aretina io, tsy handaniana volabe ary tsy misy voka-dratsiny eo amin’ny fahasalamana rehefa any aoriana.

 

 

 

Ramboasalama Hanta, 28 taona avy any Antsirabe

Mahasoa ny fitsaboana nentim-paharazana. Tsy voatery hiankin-doha amin’ny fanafody vazaha ihany intsony mantsy isika fa isika eto ihany dia efa afaka mifanampy sy mifanohana. Manome asa ho an’ny tanora ihany koa ity sehatra iray ity no sady manome lanja ireo mpitsabo nentim-paharazana manerana ny Nosy. Tokony ho hainga vao hahafahana mampahafantatra an’i Madagasikara any ivelany ity sehatra iray ity raha haintsika ny mikolo sy mampiasa azy.

Aina Nomenjanahary, 27 taona avy any Ambatondrazaka

Tovolahy iray avy any Ambatondrazaka i Aina Nomenjanahary. Tena resy lahatra amin’ny Fitsaboana nentim-paharazana izy raha araka ny nambarany. Hahafahana manasoa ny mpiray Tanindrazana mantsy ny fampiasana izany raha araka ny fanazavany no sady hahafahana manasoa ny fiaraha-monina ihany koa. Anisan’ny nofinofiny araka izany ny mba hampahalaza sy hampahazo vahana ny fitsaboana nentim-paharazana manerana ny Nosy.

Tsilavina Sandratra, 25 taona avy any Toliara

Avy any Toliara indray i Tsilavina Sandratra. 25 taona izy ankehitriny ary anisan’ny manatevin-daharana ny FI.TRA.MA na ny Fitsaboana Tradisionela Malagasy hahafahana manampy ny mpiara-belona. Nambarany fa tena tsara sy mety ny fitsaboana nentim-paharazana satria manome lanja ny maha-Malagasy antsika. Ahitana taratra ny fanandratana avo ny soa toavina Malagasy ihany koa hoy izy nefa mahatsara ny fahasalamana satria tsy ahiana hiteraka voka-dratsy amin’ny vatana rehefa any aoriana. Ankoatra izay dia notsindriany ihany koa fa manome asa ny tanora ny fitsaboana nentim-paharazana ary maro ireo efa nahita voka-tsoa tamin’izany.

Randriantefy Maharo, 24 taona avy any Toliara

 Avy any Toliara ihany koa Randriantefy Maharo, 24 taona. Nambarany fa tena nahaliana azy ny fitsaboana nentim-paharazana noho izy harena goavam-be eo amin’ny sehatry ny fitsaboana. Manampy ny mpiara-belona izany raha araka ny fanazavany ary tsy ilana volabe fa mety ho an’ny sarangam-piainana rehetra. Manampy ny Malagasy hitodika amin’ny tena natoraly ihany koa ny fitsaboana nentim-paharazana raha araka ny fanazavany fa tsy ho variana amin’ny fihinanana ireo karazana pilina efa misy akora simika mety hanimba ny fahasalamana rehefa any aoriana. Ireny mantsy raha araka fanazavany dia mampitony ilay aretina fotsiny ihany fa ny fitsaboana nentim-paharazana tena manala ilay aretina hatrany amin’ny fakany mihitsy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT