Sosialy

Tanora Malagasy 12 taona dia efa miroso amin’ny sehatry ny fitiavana


  • Zoma 04 Martsa 2022

Fanadiahadina natao teny anivon’ny fiaraha monina no nahafantarana fa vao 12 taona monja ny zazavavy sy zazalahy Malagasy dia efa miroso amin’ny sehatra ny fitiavana na manao sipa.

Ny fampiasana ny tambazotra serasera Facebook no tena nampitombo betsaka ny zaza tsy ampy taona miditra eo amin’ny sehatry ny fitiavana sy ny firaisana ara-nofo . Ny fanatontoloana izay miroborobo ankehitriny dia mbola singa iray mamporisika ny zaza tsy ampy taona hahalala fitiavana. Ny ray aman-dreny izay efa miezaka ny manara-maso ny zanany saingy ireo efa voalaza etsy ambony no tena mampitombo ny taha. Raha ny tsikaritra mantsy dia ireo zaza tsy ampy taona no betsaka miditra amin’ireo ‘cyber’ ary manao ny facebook sy mijery sary sy horonan-tsary amin’ny internet, izay maro no mamoafady. Ny polisim-pirenena sy ny zandary izay efa manaraka akaiky ny facebook hifehezana ny zaza tsy ampy taona izay betsaka ny manararaotra azy ireo. Ny mpiaramiombon’ antoka vahiny toy ny Unicef izay nametraka ny tetikasa arozaza mbola fiarovana ireo zaza amin’ny fampiasana ny internet ihany koa. Anisany miteraka ny fitomboan’ny tahan’ ny zaza tratry ny fanolanana koa ny fanitaran-tsaina azy ireo sy ny fihanaka ny teknolojia. Ny ankizy vavy izay efa betsaka no manara-damaody izay te hitovy amin’ny mpanakanto any ivelany . Miankina amin’ny fitazaina ataon’ny ray aman-dreny ao an-tokantrano anefa no hifehezana ny ankizy tsy hiroso betsaka amin’ny firaisana ara-nofo sy ny fitiavana aloha loatra.
Tolin
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT