Sosialy

Tanora mahay miady hevitra Hitondra fandraisan’andraikitra sahady


  • Alarobia 11 Martsa 2020

Manomboka izao dia misy ny hetsika tanterahina isaky ny sabotsy mitondra ny lohahevitra hoe « la parole aux jeunes ». Andiany voalohany no hotanterahina ka hanomboka ny sabotsy 14 Martsa ho avy izao izany ary hifarana amin’ny 11 Aprily.

 

 

 

Ady hevitra misy lohahevitra 3 lehibe no hatao. Eo ny resaka tambajotran-tserasera sy ny vokatra entiny amin’ny tanora, ny vehivavy sy ny fitovian-jo ary ny vakoka sy ny kolotsaina ary ny fiaraha-monina Malagasy. Hivelatra anefa ny ady hevitra satria hahakasika hatrany amin’ny toekarena sy ny politika izany ka ny mpianatry ny lisea avokoa no mpandray anjara. Tanjona ny hisian’ny fifanakalozan-kevitra eo anivon’ny tanora samy tanora, ny tanora sy ireo mpahay toekarena sy mpandraharaha ary ny tanora sy ny manana fahefana mitondra. Rehefa izay dia hahatsapa tena sy hahay handray andraikitra sahady amin’ny zava-misy indrindra ny olana eto amin’ny firenena izy ireo. Fifaninanana no hatao ka hahazo 15 minitra avy ny vondrona izay misy tanora 4 hanohana ny heviny avy ary hamaly ny fanontaniana rehetra. Mpitsara matihanina amin’ny lafiny serasera no hitsara ary lisea miisa 12 no handray anjara ka hivantana amin’ny fahitalavitra izany isaky ny amin’ny 8 ora alina hoy ireo mpikarakara.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

Hijery ny tohiny
FTT