TANORA LATSAKY NY 24 TAONA

Tafakatra 68,5% ireo tsy an’asa


  • Alatsinainy 01 Jolay 2024

Ny 70%-n’ny mponina manerana an’i Madagasikara dia tanora latsaky ny 30 taona avokoa.

Izy ireo noho izany no tena ho avin’ny firenena saingy ny mampalahelo dia izy indray no tsy voajery sy tsy voakarakara. Ny 68,5% amin’izy ireo mantsy dia tsy an’asa avokoa, indrindra fa ireo latsaky ny 24 taona. Manoloana io tranga io dia fantatra fa hamondrona ireo tanora manana tetikasa ary efa miditra eo amin’ny sehatry ny varotra etsy amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena etsy Mahamasina mihitsy ny Ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena. Hanomboka ny 05 Jolay ho avy izao izany haharitra roa andro ka anisan’ny tanjona ny hahafahana manosika sy mitady lalam-barotra azy ireo handresena ny fahantrana. Tsy ny eto an-drenivohitra irery moa no hisitraka sy hahazo tombontsoa amin’izany fa hahazo ny anjarany ihany koa ireo tanora any amin’ny faritra.
Pati
Legende : Betsaka amin’ireo tanora nahavita fianarana no lasa mpivarotra amoron-dalana tahaka izao !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT