TANORA AO TOLIARA

80%-n’ireo nahavita fianarana tsy mahita asa avokoa


  • Talata 27 Aogositra 2024

Marobe ireo tanora nahavita fianarana nefa tsy an’asa ao Toliara ao. Mahatratra 80% any ho any izy

ireo rah any vinavina, antony nanosika ny Coopération Allemande hanatanteraka ilay fandaharan’asa PRR eo anivon’ny GIZ any an-toerana. Fampiofanana ny tanora mikasika ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro izy io mba hahafahan’izy ireo mamorona asa ho an’ny tenany na koa manatanteraka asa mifandraika amin’izany. Ho an’ny lisea teknika ao Toliara manokana dia fantatra fa efa manaraka izany ireo mpianatra ka ny 60 % fampiharana eny anivon’ny orinasa raha teoria eny anivon’ny sekoly kosa ny 40%. Mitondra hainga vao ho an’ireo tanora any an-toerana ny fisian’ity tetikasa ity mba hahafahan’izy ireo mivoatra amin’ny fiainana sy misoroka ny fidonanam-poana izay mahazo ny ankamaroan’ireo tanora tsy an’asa manerana ny Nosy. Lohalaharana ao anatin’izany ny fidorohana zava-mahadomelina sy ny filokana etsy sy eroa.
Pati
Legende : Lasa mifoka sigara sy mifampitaona amin’ny ratsy tahaka izao sisa ireo tanora eto amintsika rehefa tsy an’asa !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT