Sosialy

Tanora Actif an’i Madagasikara Nijery ireo mpianatra sy voafonja tao Manjakandriana


  • Alatsinainy 14 Septambra 2020

Misedra olana tanteraka ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra izao.

 

 

 Ho an’ireo Ray aman-dReny very asa nandritra ny fihibohana dia mbola olana na dia arapaka isan’andro aza, antony nanosika ny TAMa na ny Tanora Actif an’i Madagasikara hizara fitaovam-pianarana tany Manjakandriana ny Sabotsy lasa teo.Ankoatra ny boky miisa 150 izay natolotra ireo mpianatra ao amin’ny EPP an’i Manjakandriana niampy fitaovam-pianarana maro isan-karazany miisa 200 dia tsy nanadino ireo voafonja any amin’ity distrika iray ity ny TAMa izay vehivavy sy Renim-pianakaviana ny ankamaroany.Gels disinfectants miisa 3, aro-tanana 2 baoritra niampy Cotrim 10 baoritra kely no natolony tamin’izany ho fiarovana ireo voafonja amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19. Nisaotra manokana ireo mpikambana moa ny filoha nasionalin’ny TAMa nandritra izany, indrindra fa ireo tsara sitra-po nanolotra ny boky sy ny fitaovam-pianarana mba hozaraina tahaka izao. Marihina fa tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-6 taonan’ny fikambanana ny hetsika.

 Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT