Sosialy

Tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy Mbola mila ezaka be i Madagasikara


  • Alarobia 26 Septambra 2018

3 taona katroka omaly no nifidy ary nifanaiky ny hanatratra ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra (ODD) ireo filoham-panjakana sy mpitantana avy amin’ny firenena 133 manerana izao tontolo izao.

 

 

Anisan’ny nankalaza izany i Madagasikara omaly talata 25 septambra tetsy amin’ny minisiteran’ny toekarena sy ny teti-pivoarana. Nisy ny atrikasa nijerena ny tomban’ezaka tamin’ny sehatra tsirairay ka anisan’ny nandray anjara ny fanjakana, ny sehatra tsy miankina ary ireo mpiara-miombonantoka avy amin’ny firenena mikambana, indrindra ireo tanora Malagasy maro. Nodinihina tao ny dingana sy ny ezaka tsy maintsy ilofosan’i Madagasikara amin’ny fanatrarana ireo tanjona ireo, indrindra ny tokony ho tena laharam-pahamehana. Raha tsiahivina, fiovana goavana miisa 3 no tokony hotrarina ao anatin’ny 15 taona dia ny fanafoanana ny fahantrana lalina, ny fandresena ny tsy fitoviana sy ny tsy rariny ary ny famahana ny olana mikasika ny fiovan’ny toetr’andro. 3 taona sahady izay no lasa kanefa hita aloha fa tsy misy masoandro mihiratra i Madagasikara ary mbola tena lavitra ny ezaka. Mampanahy be ihany ny ahafahana manatratra ireo tanjona ireo raha mijery ny zava-misy iainana marina eto amin’ny firenena. Hitana anjara andraikitra goavana ny filoham-pirenena ho lany manaraka eo amin’ny fanatanterahana ireo ezaka amin’ireo ODD ireo. Tsy voatery hiandry izany anefa fa miankina amin’ny Malagasy tsirairay mihitsy ny fanatrarana ny tanjona araka ny nambaran’ny filohan’ny komitin’ny fampandrosoana maharitra eto Antananarivo (CDDA), Rakotomanjaka Andry. Etsy an-kilany dia mila mahatsiaro manana andraikitra ireo tanora, indrindra amin’io 12 taona ho avy  manaraka io. 

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT