Sosialy

Tanjon’ny CNaPS amin’ny 2022 Ampiakarina 15% ireo mahazo fiahiana ara-tsosialy


  • Alatsinainy 04 Jona 2018

Eto Madagasikara dia mbola vitsy dia vitsy ny mpiasa misitraka ny fiahiana ara-tsosialy satria dia eo ho eo amin’ny 7 % hatramin’ny 10% eo izany. Ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahana ara-tsosialy (CNaPS) dia tsy mitsahatra ny manao ezaka hoentina hanatsarana ny fiainan’ny mpiasa eto amin’nyfirenena.

Ao anatin’ny politika fanakaikezana ireo mpanjifa, ny ekipa tarihin’ny lehiben’ny Sampandrahara miahy ny ara-pahasalamanan’ny mpiasa sy ny sosialy (Service d’Action Sanitaires et Sociales na SASS) dia nikarakara fiofanana hoan’ireo mponina manodidina ny tendron’ny CNaPS any Mitsinjo, izay toerana mitoka-monina any amin’ny 87 km Atsimon’i Katsepy, mankany Soalala, rehefa avy miampita baka avy eo amin’ny serananan’i Mahajanga. Io no tendro fahatelo anatin’ny delegasionam-paritra Mahajanga miaraka amin’ny Marovoay sy Maevatanana. Ny tendron’ny CNaPS Mitsinjo dia miasa ho an’ny kaominina 11 ao anatin’ny distrikan’i Soalala sy Mitsinjo. Naharitra telo andro eo ny fiofanana izay nanomboka tamin’ny 30 sy 31 mey ary nifarana ny zoma 1 Jona. Nahazo fiofanana avy amin’ny CNaPS ny orinasa tsy miankina, mikasika ny zon’ny mpiasa sy ny lalàna arak’asa, ny loza amperin’asa.Tanjon’ny Tahirim-pirenena ny hampitombo ny olona misitraka ny fiahiana ara-tsosialy izay zo fototra maha-olona. Raha mbola eo amin’ny 7% eo ny misitraka ny fiahiana ara-tsosialy eo amin’ny sehatry ny  asa eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao dia tanjon’ny tahirim-pirenena no hampiakatra izany ho 15% hatramin’ny taona 2022. Izany dia mbola nohamafisin’i Razafindraibe Jean Jacques nandritrany kabary fanokafana nataony fa «  ny malagasy rehetra eo amin’ny sehatry ny asa dia tokony hisitraka ny fiahiana ara-tsosialy avokoa na mpanjono, na mpiompy, na mpamboly izy. Eto amintsika dia mbola latsaky ny folo(10) isan-jatony olona misitraka izany. Ary ny mpampiasa dia tokony hanao ezaka fanatsarana ny fiainan’ny mpiasa raha tiany handroso ny orinasa izay tantanany. Mampalahelo ny mahita mpiasa bevoho kanefa tsy misitraka ny zony amin’ny atsasa-karama,  ny fiterahana sns, ny mahita olona antitra nefa rehefa tonga ny fotoana fisotron-dronono dia tsy mahazo izany. Ezehin’ny CNaPS hatrany ny manaparitaka sy mampahafantatra izany », hoy izy nandritra ny fandaharan-teny izay nataony tamin’ny lanonam-panokafana.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT