Sosialy

Tanjombato Nitsoraka tao ambany tetezana ilay taksi


  • Zoma 03 Janoary 2020

Nitohana izay tsy izy ny fifamoivoizana teny Tanjombato omaly maraina, tsy fanamboaran-dalana akory fa noho ny loza izay nitranga.Fiara Peugeot 205, izay taksi no tsy tafavily

 

 

 

 

intsony ary tonga dia nitsoraka tao ambanin’ilay Pont Bailey.Izany hoe avy any atsimo hianavaratra ity fiara ity.Soa ihany fa tsy nandeha mafy fa saika loza.Nihitsoka tao ambanin’ilay tetezana ilay Peugeot 205 , tafasisika teo anelanelan’ny Pont Bailey sy totohotra kely iray; ary notohanan’ireo fako mivangono tao ihany koa ka tsy lasa lavitra na nikodiadia.Tsy nisy naratra na sanatria aina nafoy, saingy nisy fahasimbana kosa aloha ny fiara.Nisy olana ny familiana (direction) raha ny angom-baovao natao ka izay no nahatonga ny loza.Ireo olona teny amin’ny manodidina ihany moa no nikaroka hevitra nisintonana ity fiara ity.Ny tranga tahaka izao no manaporofo fa ilaina foana ny fitsirihana ny fiara ampiasaina satria ny loza tsy mampandre rehefa ho avy.Tsikaritra fa maromaro ireo fiara miasa eto Antananarivo, na an’olon-tsotra io na misehatra amin’ny fitateram-bahoaka no efa tena valaka, araka ny fomba fiteny.Tsy tommbona intsony ny lafiny ara-teknika, mahagaga anefa fa dia mbola afaka mifamoivoy ihany izy ireny.Mitranga ny loza mandratra na hamoizana ain’olona avy eo vao mifanome tsiny.Tsy aleo ve misoroka toa izay mitsabo e.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT