Nahitana fatin-dehilahy nihohoka tao anaty rano tetsy amin’ny barazin’i Tanjombato, omaly maraina tokony ho tamin’ny 09 ora.
Olona sendra nandalo no nahita ny razana raha araka ny vaovao azo ka niantso avy hatrany ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalana. Rehefa tonga nijery ny razana ireto farany ka nampiakatra azy tamin’ny sisiny dia fantatra fa lehilahy ilay namoy ny ainy, manodidina ny 35 taona eo ho eo. Tsy nisy taratasy namantarana azy intsony tany aminy saingy mbola fantatra ny endriny. Tonga teny an-toerana nandray an-tanana avy hatrany ny raharaha ny polisy avy ao Tanjombato raha efa nampandrenesina ihany koa ny BMH etsy Isotry.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.