Sosialy

Tanjombato « Court circuit » no nahamay kila ilay trano


  • Alatsinainy 02 Martsa 2020

Trano iray no nirehitra ny sabotsy teo tao amin’ny fokontany Ankady, kaominina Tanjombato, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

 

 

 

Vokatry ny “court circuit” no niteraka ny loza raha araka ny loharanom-baovao azo. Olona valo no tao amin’ity tokantrano ity izay marihina fa tsy nisy naratra na aina nafoy. Na izany aza levon’ny afo daholo kosa ireo karazana kojakojan-tokantrano maro samihafa izay tsy fantatra ny tentim-bidiny hatreto. Torak’izany koa  ireo entana saika mbola hamidy. Tsy niitatra tamin’ny manodidina moa ny afo noho ny hafainganan’ny fahatongavan’ny sampana mpamonjy voina ao Tanjombato sy ny avy eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Miantso ny rehetra mba samy ho mailo ny sampana mpamonjy voina ka hamono avy hatrany ny kaontera raha sanatria ka misy tranga hafahafa ao an-tokantrano. Toraka izany koa ny fametrapetrahana zavatra toy ny briquet na afokasoka mora takatry ny ankizy ao an-trano hisorohana ny loza mety hitranga.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT