Sosialy

Tanimbary tototra eny Ampitatafika Miantso ny APIPA ny Ben’ny tanàna


  • Zoma 03 Febroary 2023

Mbola tototry ny rano hatreto ary tsy nahitana vahaolana ny tanimbary ao Ambohidava sy Anjanamaintso samy ao anatin’ny kaominina Ampitatafika,

distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Vokatry ny fiakaran’ny rano nateraky ny fiakaran’ny ranon’Ikopa izay mandalo eny an-toerana nandritra ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso no nahatonga izany, antony niteraka ny fisian’ireo traboina miisa 830 ihany koa. Voatery napetraka tao amin’ny biraon’ny kaominina araka izany ny 110 tamin’ireo traboina ireo raha nisy ihany koa ireo notsinjaraina tany amin’ny CEG sy ny fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny olo-masin’ny andro farany ao Ampitatafika. Nifandrimbonan’ny kaominina sy ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary araka izany ny fikarakarana sy ny famahanana ireo traboina ireo raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina. Na izany aza anefa hoy hatrany ity Ben’ny tanana ity dia efa samy lasa nody namonjy ny trano fonenany avokoa izy ireo raha 5 andro teo ho eo no nijanonany tany amin’ireo trano nahafahany nialokaloka ireo. Nomarihin’ity Ben’ny tanàna ity moa fa ny fitadiavam-bahaolana mikasika ireo tanimbary tototry ny rano ireo no mbola tena manahirana azy ankehitriny koa hanaovany antso avo amin’ny APIPA ny mba hijery akaiky izany.
Pati
Legende : Miantso ny APIPA mba hijery akaiky ny amin’ny manko an’Ampitatafika ny ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT