Sosialy

Tania, zazavavy kely 10 taona Vehivavy roa no naka an-keriny azy


  • Alarobia 13 Novambra 2019

Tovovavy kely iray vao 10 taona monja antsoina hoe Tania, monina eny Avarabohitra Soavimasoandro no tsy hita nanomboka ny alatsinainy lasa teo.

 

 

 

 

 Ramatoa roa ka ny iray mitrotro zaza no voalaza fa naka ity zazavavy kely ity, tamin’ny ora firavany tamin’ny 11 ora. Raha araka ny fanazavana azo dia nokitikitihan’ireo i Tania kely. Nivadika tampoka ity farany noho izany ka nilaza tamin’ireo mpiara-mianatra taminy fa reniny ilay ramatoa niresaka taminy ka nanaraka azy mirahavavy mora foana i Tania. Nilaza moa ireo fianakavian’i Tania fa efa misy olona ahiahiany amin’izao fakana ny zanany izao ary tsy hijanona hatreo izy ireo fa hitondra ny raharaha hatreny anivon’ny mpitandro ny filaminana. Tsy mbola hita i Tania, hatramin’ny omaly hariva, fotoana nanoratanay. Azo atao ny miantso ireo laharan-tariby manaraka ireto ho an’ireo izay sendra mahita an’i Tania dia ny 033 19 868 33, ny 034 31 727 53, ny 032 69 187 60 ary ny  033 05 013 37.

Pati

Legende : Ity i Taniakely, zaza tsy mba mpanarak’olona izany, hoy ny fianakaviany

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT