Sosialy

Tandindomin-doza ny fiarahamonina Mpisotro toaka ny 77%-n’ny Malagasy


  • Alatsinainy 23 Septambra 2019

Mampivarahontsana ny nandre ny tarehimarika : Malagasy 3 amin’ny 4 no misotro toaka, izany hoe 77%-n’ny Malagasy. Mitambatra ao avokoa rehefa zava-pisotro misy alikaola.

 

 

 

 

Ny tena loza dia latsaka ambany ny taonan’ny Malagasy misotro satria 9 ka hatramin’ny 64 no salan-taonan’ireo mpisotro, izany hoe misy ankizy latsaky ny 10 taona izany eto Madagasikara fa efa misotro toaka sahady. Fantatra ihany koa fa manodidina ny 25 tapitrisa tavoahangy no lany isam-bolana eto Madagasikara, ho ana orinasa mpamokatra iray monja io. Miandahy miambavy io fisotroana io ary tsy miandry misy fety na lanonana fa tena isan’andro. Tsy tapaka olona mihitsy eto aminay, hoy ny tompona BAR na toeram-pisotroana iray nanaovana fanadihadiana. Vao maraina amin’ny 6 ora dia efa misy tonga maka kely dia ireo olona handeha hiasa maraina toy ny dokera, mpitarika posy sy sarety … Misy koa ireo tra-maraina, izany hoe efa nisy dia nalehany ny alina ka efa nisotrosotro saingy mba maka vazony kely arak’ilay fomba fiteny. Aorian’io dia efa maresaka ny Bar maraina, atoandro, hariva, hatramin’ny alina. Voatondron’ny lalàna fa amin’ny 9 ora alina no tsy maintsy mikatona ny toeram-pisotroana rehetra eto Madagasikara saingy misy ihany ireo maningana. Fantatra fa misy mahalany 10 000 ka hatramin’ny 30 000 ariary isan’andro amin’ny fisotroana toaka ary io tsy hoe olona mpanefoefo fa Malagasy antonony. Misy aza ireo sokajiana sahirana saingy mahita vola foana hisotroana. Mandeha ihany koa moa ny tsipaipaika dia mitambatambatra eo ny vola ka mahamamo ihany ny farany. Tombanana ho manodidina ny 100 isan’andro ny olona mifamezivezy amina toeram-pisotroana iray raha ny fanadihadiana natao. Tsara homarihana fa ambony kokoa ny tahan’ny homamiadana amin’ny olona misotro toaka sy mifoka sigara. Manimba ireo taova ao anatin’ny vatan’olombelona toy ny vavony, aty, voa, tsinay koa ny fibobohana zava-pisotro misy alikaola. Misy akony ratsy any amin’ny atidoha ihany koa ny toaka sy ny rongony. Izay no maha zava-mahadomelina azy ireo. Maro ny milaza fa misotro satria mba te hanadino kely ny rotorotom-piainana. Efa lasa fomba amam-panaon’ny Malagasy ny misotro na an-kafaliana io na an-karatsiana. Misy maty na famadihana ao an-tanàna, misy toaka eo izay. Misy tera-bao, misy toaka eo izay; any anaty vodiondry sy mariazy ao foana ny toaka. Ny mampihoron-koditra dia ny ankizy mpianatra, tsy ampy taona efa misotro ihany koa. Mety izany ve no mahatonga ny voka-panadinana miha ratsy isan-taona eto Madagasikara ? Mety ho izany koa ve no mahatonga ny Malagasy tsy mety tafavoaka amin’ny fahantrana sy mikorotan-dava ?

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT