Sosialy

Tanànan’Alasora Hosoloina avokoa ireo jiro lasan’ny mpangalatra


  • Talata 24 Janoary 2023

Mitohy ny asa fampandrosoana ao amin’ny kaominina ambanivohitr’Alasora, distrikan’Avaradrano amin’izao fiandohan’ny taona vaovao 2023 izao.

Lohalaharana amin’ireny ny fametrahana jiro an-dalambe raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna Randriantsoa Jimmy, hahafahana miady amin’ny tsy fandriampahalemana. Hahazo tombony manokana amin’izany ny Fokontany Mahitsy, Ankadiaivo ary Mahatsinjo. Hosoloina daholo ihany koa ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro nalain’ny mpangalatra hatramin’izay hahafahana manazava ireo lalankely sy ny arabe hifamezivezen’ny fokonolona. Mikasika ny resaka fanatanjahantena kosa dia fantatra fa hamboarina ilay kianja sentetika ao Ambohidrazaka hahafahan’ny mpilalao tena miala voly fa tsy hihosom-bovoka intsony. Hotohizana hatrany ihany koa ilay lalao iadiana ny amboaran’ny Ben’ny tanàna. Mikasika ny resaka sosialim-bahoaka moa dia hitohy amin’ity taona ity ny fizarana sakafo maimaim-poana ho an’ireo ankizy mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE raha hojerena manokana ihany koa ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana BEPC. Hisy ihany koa ny fizarana fanomezana ho an’ireo sahirana sy zokiolona mandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona.
Pati
Legende : Jimmy Randriantsoa, Ben’ny tanànan’ny kaominina Alasora
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT