Sosialy

Tanànan`Ankaramalaza Nisitraka fanampiana ireo traboina


  • Alatsinainy 25 Novambra 2019

Taorian`ny fahamaizana nitranga tao amin’ny tanànan’Ankaramalaza,

 ao amin’ny firaisana Lokomby, distrikan’i Manakara, dia nidina tany an-toerana ny praiminisitra Ntsay Christian ny sabotsy lasa teo, nampahery ireo vahoaka niharam-boina ary nanolotra fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana, hiatrehana ny toe-java-misy. Vary 1 taonina, voamaina 500 kilao, tafo fanitso miisa 1000 no natolotry ny fanjakana ary fanampiana hafa sy kojakoja ary fitaovana ahafahana mahandro. Hentitra ny praiminisitra raha nilaza fa tokony hozaraina araka ny tokony ho izy ny fanampiana voaray, ka samy mba hisitraka an’izay avokoa ireo rehetra traboina. Tsiahivina fa ny zoma lasa teo, dia nisy hain-trano goavana tany Ankaralamalaza ka  trano 127 eo ho eo no kilan’ny afo ary manodidina ny 320 no tsy manan-kialofana. Naharitra adiny roa ny afo ary ampahany lehibe amin’ny tanàna no rava. Anisan’ny nanamafy ny herin’ny afo ny fipoahan’ireo « gaz » fahandroan-kanina tany an-tokantranon’ireo mponina sasantsasany, ary saika tsy teo an-tanàna ny ankamaroan’ny mponina nandritra ny fotoana nitrangan’ny loza. Niteraka fahataran’ny famonoana afo ny fahalaviran’ny toerana misy rano vonjy taitra. Araka izany dia namory ireo komitim-paritra miandraikitra ny fiatrehana ny loza voajanahary tany an-toerana ny praiminisitra, mba hametrahana paikady hiomanana amin’ny famonoana afo sy hampiakarana ny isan’ireo toby famatsiana rano fisotro madio.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT