Sosialy

Tanàna vaovao ao Soaniedanana Nojeren’ny fanjakana fotsiny hatramin’izay


  • Alakamisy 01 Aogositra 2019

Nivoaka tamin’ny fahanginany omaly ny filoha nasionalin’ny HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina manoloana ilay

 

 

 

fanorenana tanàna vaovao tanterahiny eto amintsika.  Nisafidy ny nangina aho hatramin’izay, hoy izy noho ny fisian’ireo mpamingana ny tetikasa nefa tsy ho ahy no nanaovako ireny fa ho an’ny vahoaka Malagasy. Nambarany ary fa mbola lesoka tamin’ity tetikasa ity ny tsy firaharahian’ny fitondram-panjakana nifandimby hatramin’izay ny maha zava-dehibe ny exode urbain. Anisany ny fananganana sekoly, ny hopitaly izay tokony hanomezan’ny fanjakana tanana ny fikambanana Hafari saingy nojereny fotsiny, hany ka sahirana ny mponina. Hiainga amin’ny heriny hanatanteraka ny tetikasa ny HAFARI  manomboka izao ka fizarana kara-tany ho an’ny 80 %-n’ireo mponina ao Soaniedanana Ankazobe no hisantarany ny asa amin’ny sabotsy ho avy izao izay nomarihin-dRafanomezantsoa Jean Nirina fa havadika ho titra tsy ho ela. Hisy ihany koa ny ady fototry ny toerana hametrahana ny jiro hanazavana ny tanàna arahin’ny fitondrana mpiandry hanalana ireo karazana fanahy ratsy misakana ny tanànan’i Soaniedanana  tsy handroso.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT