Sosialy

Tanàna Masoandro ao Ambohitrabiby Ezahana hisarihana jiro anaty volana vitsivitsy


  • Talata 19 Aprily 2022

Taorian'ny fihaonana teo amin'ny minisitra sy ny ben'ny tanànan'ny kaominina Ambohidrabiby, ny pasitera Lazarisoa, ny marainan’ny 15 aprily teo dia nanapa-kevitra ny hidina an-kianja ny tenany

ny harivan'iny ihany nijery akaiky ny zava-misy marina. Ny jiro mandeha amin'ny masoandro sy jiro cobra avy amin'ny JIRAMA no vahaolana naroso avy hatrany nentina nanampiana ny mponina ary miisa 4 kosa no vahaolana maharitra haroso ny vahoaka, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Ho jerena miaraka amin'ny JIRAMA ny hampisitrahana jiro ny mponina ao Tsarahonenana amin'ny vidiny mirary, zakan'ny mponina. Isany hampisitrahana ny tetikasa "Branchement mora" ihany koa ireo tokantrano marefo any an-toerana. Soloina ny "transfo" izay efa tena antitra ka mahatonga ny vaika ho ambany dia ambany ao amin'ny fokontany Ambatomitsangana. Ezahana anaty volana vitsivitsy ihany koa ny hisarihana jiro ho tonga eny amin'ny Tanàna Masoandro. Tsy minisitra miandry birao aho, hoy ny minisitra ary tsy minisitr'Antananarivo irery fa hanazava an'ny Gasikara manontolo no tarigetrako, eny fa na ny tanàna faran'izay ambanivohitra indrindra aza, manana zo hisitraka izany avokoa, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Legende: Ny ben’ny tanàna (havia amin’ny sary) sy ny minisitra
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT