Sosialy

Tanàna madio sy milamina Tokony hanadio izay tandrify azy ny tsirairay


  • Talata 10 Mey 2022

Tsy tokony hiandrasana ny hafa hibaiko na koa hiandry fanentanana ny tsirairay vao hahay hanadio ny faritra misy azy.

Miantoka zavatra maro loha tokoa mantsy ny fahadiovan’ny tanàna iray toy ny fahafahana misoroka ny aretina maro isan-tsokajiny, hafinaretan’ny maso ihany koa ny tanana madio no sady fanabeazana omena ny rehetra. Ny mampalahelo anefa dia maro amin’ireo olona eny anivon’ny fiaraha-monina no tsy mahatsapa izany. Misy aza ireo efa mahita fanariam-pako saingy malain-kisasatra ka mamorona toeran-kafa hanariana izany eny akaikiny arahin’ny fanariana sachet plastika anaty tata-drano sy ireo pot feno maloto. Misy ny hetsika fanadiovan-tanana tanterahina ho an’ny kaominina Talatamaty ho fiomanana sahady amin’ny fiatrehana ny fetim-pirenena 26 jona. Ankoatra ilay hetsika fanao in-telo isam-bolana dia misy ihany koa ny hetsika hataon’ny Fokontany tsirairay avy izay hitohy amin’ilay asa tagnamaro iarahana amin’ny rehetra ato ho ato. Ny isan-tokantrano mihitsy no tairina sy hetsehina mba handray anjara amin’izany raha araka ny fanadihadiana natao. Ny fanovana ilay toe-tsaina ho tia madio sy hahay hifanaja mihitsy moa raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna no tena zava-dehibe fa fanombohana ihany ny fanentanana tahaka izao.
Pati
Legende : Misoroka aretina maro no sady hafinaretan’ny maso ny tanàna madio
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT