Sosialy

Tanàn-dehibe eto Madagasikara Tena azo diovina sy halamina ihany kay


  • Talata 31 Martsa 2020

Tena azo alamina, diovina tsara ihany kay Antananarivo, ary tsy izy irery fa ireo tanàna hafa rehetra eto Madagasikara fa mila hentitra ny mpitantana sy ny mpitondra ary tena ambenana mihitsy ny olona.

 

 

Tamin’ity coronavirus ity no nahitana izany. Samy afaka miezaka daholo kay rehefa terena. Izany ilay hoe tsy maintsy manaraka fitsipika na “discipline”, izay azo tohizana foana fa tsy ao anaty fotoana mandalo ihany. Samy manana ny fandraisany an'io moa fa ny fehiny dia hoe mila hentitra sy mampihatra ny lalàna ny mpitantana. Tsy maintsy manaraka ny ambiny satria fandaminana ny tanàna sy ny fiarahamonina ho an'ny tombotsoa iombonana no tanjona. Tsy misy zavatra azo moramora foana izany fa tsy maintsy mihafy sy miasa mafy. Tsy misy fandrosoana tongatonga ho azy izany raha mbola samy hanao izay saim-patany ny isam-batan’olona ka hanao izay tiany sy metimety aminy na misy ny lalàna tokony harahan’ny rehetra. Ny zava-misy amin’izao fotoana izao dia fampiharana ny lalàna hoe: ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana isika ka izao ny lalàna mifehy ny tany sy ny fanjakana, dia io fa manaiky ny ankamaroan’ny olona, mangina sy milamina ny tanàna, voafetra ny ora sy fotoana hahafahana mivezivezy. Azo atao tsara ihany koa izany ny mametraka sy manamafy ny lalàna hoe: izao sy izao no azo atao sy ny tsy azo atao mba hisian’ny firindrana. Fotoana izao tokony hararaotina dia mitohy avy hatrany ny fitsipika, izay tsy natao hamonoana na hamoretana sokajin’olona manokana na maromaro, fa kosa tena ho an’ny tombotsoan’ny maro an’isa.

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT