Sosialy

Tan-tsoroka hanalana ny fakon’Antananarivo Efa miasa ny kamio 10 avy amin’ny tsara sitrapo


  • Zoma 02 Novambra 2018

Mametraka fanamby ny eo anivon’ny kaominina Antananarivo fa hisy fiovana tsy ho ela ny resaka fanalana ny fako eto an-dRanivohitra.

 Nisy olona tsara sitrapo nampindrana kamio miisa 10 mantsy ny CUA, mba hanao tan-tsoroka hanampy ny SAMVA amin’ny fitaomana ny fako, raha ny nambaran’ny Talen’ny serasera Raharivelo Tiana Harilaza ny alarobia teo. Olona vonona ifanome tànana amin’ny kaominina noho ny fahitana ny fahasahiranan’ny tanànan’Antananarivo no angady nananana sy vy nahitana izany, ka efa am-perinasa ireo fiara ireo amin’izao fotoana izao. Andao hiara-hientana ho amin’ny fanarenana ny tanàna ka tokony hifanome tànana isika, hoy ity tomponandraikitra ity. Nentaniny ihany koa ny mponina mba hanaja ny ora fanariam-pako izay efa misoratra eny amin’ireny toerana fanariam-pako ireny, amin’ny 5 ora hariva ka hatramin’ny 8 ora alina. Tokony hajaina ihany koa ny toerana misy ireo daba lehibe fanariam-pako fa tsy ariana eny ivelany rehetra eny ny fako. Raisintsika ho antsika tokoa ny tanàna ka dia samy tsy hisy hanarinary fako eny rehetra eny fa samy handala ny fahadiovana ny rehetra, hoy izy. Tombanana ho 0,6kg isan’andro isan’olona ny fako vokarin’Antananarivo. Tanàna iaraha-manana ity ary fitaratr’i Madagasikara. Tsy ho vitan’ny mpitantana irery ny hanajary sy hanatsara azy, fa mila vahoaka manana finiavana hitandrina ny fahadiovana, hanaja ny fandaminana, ary ny irariana dia tsy ho lasa sorona amin’ny resa-politika ny Renivohitra satria azo atao tsara ny mifampiresaka sy mifampihaino ary miara-mandray andraikitra satria tanàna iombonana ity.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT