Manome 72 ora ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena indray nanomboka omaly talata ireo mpampianatra mivondrona ao anatin’ny
PASEM izay misy sendika 23 amin’ny 25 eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena mivondrona ao anatiny. Tsy mbola vitan’ity ministera ity mihitsy mantsy hatreto dia nandoa ilay vola 50.000 Ar ambiny tambin-karamana fanampin’ilay 25.000 Ar isaky ny mpampianatra efa naloany tamin’ny oktobra taona 2018 sy ilay 25.000 Ar tamin’ny volana janoary taona 2019. Tokony ho tamin’ny volana janoary teo no naloa io 50.000 Ar isanisany ambiny ho an’ny mpampianatra io saingy tsy tanteraka fa nanome ilay fisondrotan-karama 13 % ny fanjakana raha ny tatitra azon’ireo mpampianatra. Nampanantenaina indray ireto farany fa tamin’ny faran’ny volana febroary teo no tokony ho nofenoin’ny fanjakana izany saingy tsy mbola nisy ihany, antony nampitroatra azy ireo. Nilaza ireo mpampianatra fa tsy maintsy handray fanapahan-kevitra izy ireo aorian’ny fahataperan’io 72 ora io raha tsy tonga ny volany ka sekoly maromaro no ahiana mety hikatona. Tsiahivina fa nahare feo ny PASEM teo aloha teo fa tsy misy mihitsy io vola io saingy taorian’ilay fe-potoana 72 ora voalohany nomena ny ministera dia nivoaka indray ny vaovao fa misy ilay vola saingy eo am-pandaminana izany ireo tompon’andraikitra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.