Sosialy

Tamberim-bidy avy amin’Ambatovy Mila ierana amin-dRajoelina ny fampiasan’ny kaominina azy…


  • Zoma 12 Mey 2023

Noraisina tao anatin’ny Filankevitry ny Minisitra ny alarobia tteo ny fananganana komity manokana hitantana ny tamberim-bidy avy amin’ny orinasa Ambatovy.

Io no hiandraikitra ny tahirim-bola hitantanana ny lafiny sosialy "Fonds d'investissement social" avy amin'ny vola tamberina avy amin'ny tetikasa Ambatovy. Nambara mantsy fa voatery najanona, araka ny baiko avy amin'ny Filoham-pirenena ny fampiasana ny tamberim-bidy avy amin'Ambatovy noho ny lesoka samihafa tamin'ny fampiasana azy, ny tsy fahampian'ny fahalalan'ny ben'ny tanana,…. Soso-kevitra ny hampianarana azy ireo ny fanaovana ny tombana amin'ny fandaniam-bola "mercuriale des prix" tahaka ny fampiasan'ny fanjakana foibe mba tsy hisian'ny fandaniana midangana, hoy ny fanazavana. Nolazaina fa apetraka amin'ny Komity hanohanana ny fomba fitantanana ny vondrom-bahoaka hitsinjara-mpahefana ny andraikitra. Ity komity ity no mandray ny soso-kevitra avy amin'ireo Kaominina voakasiky ny tetikasa Ambatovy. Andraikiny ny manao ny tombana sy fandinihina ireo tetikasa izay heveriny fa laharam-pahamehana amin'ny fampandrosoana ny Kaominina. Ampitainy hangatahana fankatoavina any amin'ny Filohan'ny repoblika izany avy eo. Nolazaina fa laharam-pahamehana ny tetikasa mahakasika ny fiainan'ny mponina mivantana toy ny sekoly, tobim-pahasalamana, tranompokonolona...Nolazaina fa noraisina izao fanapahan-kevitra izao mba hialana amin'ny fandanianiam-poana. Ahitana ny minisitry ny Harena an-kibon'ny tany sy ny Loharanon-karena Stratejika, ny minisitry ny Toekarena sy Fitantanam-bola, ny minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ny minisitra mpiahy ny Faritra Atsinanana, ny Governoran'ny Faritra Atsinanana ary solontena roa avy amin'ny Fiadidina ny Repoblika ity komity ity. Tsara ny mampahatsiahy fa tamin’iny 2022 iny, dia nitaraina ireo kaominina 25 any Alaotra sy Atsinanana fa nalain’ny Fanjakana foibe ny anjara vola efa voatokana ho azy. Tany Alaotra Mangoro ny 16 febroary 2023 ny Filoha Andry Rajoelina, dia nanakiana ny fomba fitantanana ny tamberim-bidy, izay nambara fa mila ampanarahana ny fenitra ny zavatra hampiasana azy toy ny fotodrazafitrasa. Manome lesona amin’ny fitantanana ny Fanjakana fa moa tena mifandraika amin’izany ny politikam-pitantanana? Sao mba politika hitsetsefana ny efa tokony ho anjaran’ny kaominina indray? Tsy maintsy hierana amin’ny Filoham-pirenena izany ny tetikasa tian’ny kaominina hapetraka? Tokony ho asany ve izany sa dia japiana sy tsabahana daholo izay ahitana hirika? Miresaka fandanindaniam-poana ny Fanjakana fa izay no tompondakan’izany? Nitondra inona ho an’ny toekarem-pirenena, ohatra, ny vola azo tamin’ny coronavirus izay natsikafon’ny fitsarana momba ny kaonty ny tsy fihetezana? Tena tsara toerana hanome lesona ve ny Fitondrana?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT