Sosialy

Talen’ny SAMVA « Aoka tsy ho fako politika no hariantsika ! »


  • Talata 20 Novambra 2018

Minitra vitsy taorian’ny fanambarana nataon’ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana, dia nitondra fanazavana avy hatrany mikasika ny antony tsy nahatontosan’izy ireo ny asany ny avy eo anivon’ny SAMVA na ny sampandraharaha nampisahanin’ny minisiteran’ny rano ny fanangonana ny fako eto Antananarivo.

 

 

Miala tsiny amin’ny vahoakan’Antananarivo izay nilona tanatin’ny fako tato ho ato izahay, hoy ny tale jeneralin’ity rafitra ity, Mianta Rakotoharivony. Nolazainy ho antony ny fahataperan’ny fifanarahana tamin’ireo mpanatanteraka ny asa fanangonana ireo fako teo aloha tamin’ny volana aprily teo. Mila dingana arahana anefa ny fakana azy ireny. Nisy ny fifangaroan’ny fiaraha-miasa amin’ny komisionina rejionaly sy nasionaly miandraikitra izany na ny CRM sy CNM. Vao tamin’ny volana oktobra teo vao nivaha ny olana taorian’ny fifanatonana. Nisaotra ny fitondram-panjakana ny SAMVA fa nanome ireo kamiao miisa 20 na dia efa tamin’ny taona 2012 ary no nilaina izy io. Misaotra ny CUA ihany koa izahay tapa-kevitra ny hanampy anay na dia efa tsy eo ambanin’ny fiadidian’ny kaominina intsony aza ny SAMVA. Mampitandrina kosa anefa izahay fa efa misy fiara Sprinter hitanay minia manary fako amina toerana voarara amin’ny alina. Aoka tsy ho fako politika no hariantsika. Raha ny sitrakay, anio dia afaka daholo ny fako ary vita izany rehefa ampy ny kamiao sy ny famahanana. Raha mandeha ara-dalàna ny anjara hetra mirotsaka anaty kitapom-bolanay dia tokony hahatratra 3 miliara ariary isan-taona eo, hoy izy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT