TALEM-PARITRY NY UNICEF ATY AFRIKA

Mandalo eto Madagasikara, nitsidika an’Ambovombe


  • Alatsinainy 22 Aprily 2024

Tonga eto Madagasikara omaly Alahady 21 Aprily Ramatoa Etleva Kadilli,

Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana sy Atsimo. Tsy niandry ela fa avy hatrany dia namonjy an' Ambovombe ny tenany noho ny fahafantarany ireo karazan’olana mahazo ireo mponina any an-toerana indrindra fa ny zaza amam-behivavy. Tonga nitsena azy nandritra izany mpiara-miasa aminy ao amin’ny UNICEF any amin’ity distrika iray ity. Nisy ihany koa ny fihaonany tamin’ireo manam-pahefana any an-toerana, nifanakalozany hevitra ny amin’ny hanatsarana ny fiaraha-miasa ho an’ny ankizy sy ireo voasokajy ho marefo. Amin’ny ankapobeny tokoa mantsy dia tsy ampy sakafo ny ankamaroan’ireo zaza amam-behivavy any an-toerana. Mbola olana ihany koa ny fahazoan’izy ireo rano fisotro madio eny fa na dia ny hahafahany midio fotsiny aza. Raha araka ny loharanom-baovao azo moa dia mbola hijanona any an-toerana ity tompon’andraikitra eo anivon’ny UNCEF ity.
Pati
Legende : Ilay talem-paritry ny UNICEF any amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana sy Atsimo notronin’ireo tompon’andraikitra ao Ambovombe !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT