Sosialy

Tale jeneralin’ny UNICEF “Tandindonin-doza ny ankizy maneran-tany”


  • Alarobia 18 Septambra 2019

Tao anatin’ny taratasy misokatra miantefa amin’ny ankizy maneran-tany no nambosahan’ny Tale jeneralin’ny UNICEF Sampandraharaha iraisam-pirenena miaro ny zon’ny ankizy, Rtoa Henrietta H.

 

 

Fore fa anton-javatra valo no hanompanany ny finiavany hisian’ny tsirim-panantenana amin’ny hoavin’ny taranaka ankehitriny. Mifanandrify amin’ny fanamarihana ny faha-30 taonan’ny nananganana sy nanaovana ny fifanaovant-tsonia momba ny fiarovana ny zon’ny ankizy izany. Navoitrany ny hifehezana ny fifanolanana miitatra hatrany, ny fihasarotan’ny olana ateraky ny fiovaovan’ny toetr’andro, fifindra-monina mahery vaika, fitomboan’ny fikorontanana ara-tsaina, indrindra ho an’ny tanora, fiovana an-dalàn’ny vaovao sy fahalalana isan’ny toe-javatra ratsy mandindona ny ankizy amin’izao fotoana izao. Loza mandindona hatrany ihany koa ny tsy fahafahana miditra an-tsekoly, ny tsy fitoviana sy ny fanavakavahana, ka hanompanan’ny UNICEF ny paikadiny amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy. Tena manova ny fahazazana amin’izao ny tontolon’ny teknolojia, ka mila tandremana. Ho anareo ankizy, fotoana izao andronareo izao hahafahana mametraka sy manakatra ny fanamby hahafaha-manova izao tontolo izao, izay tsy takatra na tsy voasainan’ireo ray aman-dreninareo, hoy  Rtoa Henrietta H. Fore.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT