Sosialy

Tale jeneralin’ny Kraomita Malagasy « Fanosoram-potaka no betsaka hataon’ireo mpiasa »


  • Alarobia 13 Janoary 2021

Vaky ny ady teo amin’ireo mpiasa sy ireo mpomba ny tale jeneralin’ny orinasa

 

 

 

 

Kraomita Malagasy omaly tetsy Ampefiloha. Nifampiantsy mihitsy ny roa tonta raha izay no hilazana azy. Ny an-daniny nametraka sora-baventy nilaza fa mitokona ny mpiasa raha nisy ihany koa ny sora-baventy hafa nitsangana fa tsy misy fitokonana izany eo anivon’ity orinasa iray ity. Resaka karama no fototry ny olana raha tsiahivina. Misy amin’ireo mpiasa mantsy no mbola tsy nandray ny tambin-karamany raha misy kosa no efa nahazo. Tsy afa-po ireo tsy nahazo araka izany ary nitaky ny hanalana ny tale jeneralin’izy ireo mihitsy izay nambarany fa namoky lainga azy ireo nandritra ny 2 taona. Tsy nipetra-potsiny anefa Rakotomanantsoa Nirina, tale jeneralin’ity orinasa Kraomita Malagasy ity fa nitondra fanazavana teo anatrehan’ny mpanao gazety ihany koa omaly. Nambarany fa fanosoram-potaka azy avokoa no hataon’ireo andian’olona mitonona ho mpiasa ireo azy , eny hatrany anaty tambajotran-tserasera facebook. Izy ireo efa namotika ny orinasa indray hoy izy no mba mitondra vahaolana. Vokatry ny fanapahan’ny mpiara-miombon’antoka ny fifanarahana hoy izy no nahatapaka ny karama fa tsy fanahy niniana nefa na izany aza efa nitady hevitra ny Fitondram-panjakana. Raha ny tena marina anefa hoy izy dia tsy tokony hanana olana ny orinasa Kraomita Malagasy satria mbola mahatratra 77 lavitrisa Ar ny volan’ity orinasa ity tsy notakian’ireo mpiasa mitokona ireo saingy izy ireo indray no mampiaka-peo ankehitriny. Notsiahiviny ihany koa fa nahatratra 40 tapitrisa Ar ny fatiantoka tamin’ilay vaky trano niseho teo anivon’ity orinasa ity ….Na izany aza anefa ny olana hoy izy dia nisy hatrany ny fanampiana nomena ireo mpiasa ireo raha nanome karama 3 volana mihitsy ny Fitondram-panjakana. Ny iray volana tamin’izany hoy izy dia nalefa tany amin’ny banky raha natao Mvola kosa ny 2 volana ambiny, fifanarahana izay mbola mandeha. Mpiasa miisa 470 raha araka ny fanazavan’ity tale jeneraly ity hatrany no efa nisitraka izany. Nomarihiny manokana moa fa ireo mpiasa miasa no mahazo io karama io raha mola hitadiavam-bahaolana kosa ny ankoatra izay.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT