Sosialy

Tale Jeneralin’ny Kraoma Mitaky ny fialany ihany koa ny fiarahamonina


  • Alatsinainy 27 Aprily 2020

Ankoatry ny fanambarana izay efa nataon'ireo agents d'encadrement sy ny agents de maîtrise miaraka tamin’ny solotenan'ny mpiasa tany Brieville, dia nihetsika nanampy ny mpiara-monina nitaky sy nanamafy ny fitakiana hialan'ny Tale Jeneraly ankehitriny,

 

 

 

 

 

 Nirina Rakotomanantsoa. Vahoaka an’arivony no tonga namaly ny antson'ny solotenan'ny mpiasa izay nilaza fa leo ny fandrebirebena ataon'ny tale jeneraly ankehitriny. Isan'ny antony itakiana ny fialany ny tsy fitadiavana vahaolana hanodinana ny orinasa nandritra ny 9 volana. Nilaza ny Tale tamin'izany fa stratejia mihitsy io kanefa efa mihatra amin’ny aty vilanin’ny mpiasa satria efa-bolana tsy nandray ny karama. Ankoatr’izay dia nanatevina ny fitakiana fialan’ny Tale ireo mponina, izay voakasika ihany koa satria niankin-doha tamin'ny kraoma. Samy resy lahatra izy ireo fa tsy mahavaha volana ary tsy mamaha olana mihitsy ny Tale Jeneralin’ny Kraoma kanefa mbola mampiditra olona miray petsapetsa aminy ihany. Nanambara ny mpiasa fa hitohy ny hetsika mandra-pahazoana valiny mahafa-po ary dia mangataka amin'ny filoha handray ny andraikiny.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT