Sosialy

Tale jeneralin’ny CNaPS Hentitra amin’ny fanajana ny zon’ny mpiasa Malagasy


  • Zoma 20 Jolay 2018

Misy amin’ireo mpiasa eo anivon’ny Eklesia Episkopaly Malagasy (EEM) no tsy misitraka Fiahiana ara-tsosialy.

Adidin’ny CNaPS ny miandraikitra ny zon’ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina ary ao anatin’izany ny mpiasa eo anivon’ny fiangonana Anglikana. Koa tsy nitazam-potsiny ny tale jeneralin’ny CNaPS Raoul Arizaka Rabekoto  manoloana ny fahaverezan-jon’ny mpiasa fa niara-niasa amin’ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona mba hahafahan’ireo mpiasa migoka ny zony. Liana dia liana tokoa ireo Klerje (MpitondraFiangonana), ny mpitam-bolan'ny Fiangonana, ny mpampianatra eo anivon'ny Sekoly Anglikana tao amin’ny diosezin’i Fianarantsoa satria dia hita taratra izany tamin'ny fandraisana anjara mavitrika, sy ny fametrahana fanontaniana nandritra ny roa andro niofanan'izy ireo izay. Samy niaiky ireo mpandray anjara fa zava-dehibe ny fanofanana mba hahafantaran’ny tsirairay ny zony sy ny adidiny. Nambaran'i Mgr Rateloson Rakotondravelo Gilbert, Eveka misahana ny Diosezin'i Fianarantsoa fa : « mbola fanirianay aorian’izao fiofanana izao ny hisian'ny fidinana ifotony eny anivon’ny fiangonana tsirairay hamahana ny olana majinijinika tsy ahafahan'ny mpiasam-piangonana misitraka ny zony amin'ny fiahiana ara-tsosialy sahaza ny tsirairay avy. ». Ankoatra ny fitsinjovana ny mpiasam-piangonana dia saropiaro amin’ny zon’ny mpiasa ny tale jeneraly Raoul Arizaka Rabekoto, ka ankoatra ny fisokafany amin’ny rehetra dia hentitra izy amin’ny ekipa tantanany amin’ny ezaka fanatsarana ny fiainan’ny mpiasa Malagasy.

 


 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT