Sosialy

Talatamaty Nampiana ny sahirana, notsinjovina ny zokiolona


  • Zoma 24 Jona 2022

Tsy nanadino ireo zokiolona rehetra ao amin’ny kaominina iadidiany ny Ben’ny tanànan’i Talatamaty Raharinoasy Elie Dominic. Tonga nitety ireo Fokontany 12 isa izy sy ireo mpiara-miasa aminy omaly,

hetsika nosantarina tao amin’ny Fokontany Faralaza sy Tanjondava. Miisa 600 eo ho eo ireo zokiolona notolorana solombody akoho tamin’izany raha miisa 1200 kosa ireo sahirana notolorana fotsim-bary, menaka….Tanjona raka araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanàna ny hamalifaliana sy hanampiana ny rehetra amin’izao fahatongavan’ny fetin’ny Asaramanitra izao indrindra fa ireo tena sahirana sy tsy afaka miasa intsony. Narahin’ny Ben’ny tanana fanontaniana mikasika ny olan’ny mponina tao amin’ireo Fokontany nolalovany izany. Ho an’i Tanjondava manokana dia fantatra fa ny jiro no tena mbola mampahory ireo mponina hahafahana manazava ny tanana sy ho enti-miady amin’ny tsy fandriampahalemana. Toraka izany koa ny tetezana….Nambaran’ity Ben’ny tanàna ity fa hojerena manokana ireo olan’ny mponina ao Tanjondava ireo. Na izany aza dia hisy sahady tatitra hataon’ny Ben’ny tanana mikasika ny asa vitany tao anatin’ny 2 taona sy tapany rahampitso Sabotsy 25 Jona. Eo an-tampon-tanànan’i Talatamaty no hanatanterahany izany, mba tsy haha tompon-trano mihono ny vahoaka no sady ilazany ireo asa mbola tsy vitany ihany koa. Hofaranana amin’ny matso lehibe handraisan’ireo orinasa, fikambanana, mpianatra anjara izany mialohan’ny hisian’ny fampisehoana goavambe sy maimaimpoana ho an’ny rehetra. Fandefasana afomanga manomboka amin’ny 07 ora hariva kosa no hamaranana ny lanonana raha alim-pandihizana faobe no hanakatonana azy tanteraka mandrapaharainan’ny andro. Marihina moa fa notoloran’ny kaominina fanomezana daholo ihany koa ireo mpiasa mampandeha ny raharaham-panjakana rehetra ao aminy omaly hariva hahafahan’izy ireo manao fety sambatra miaraka amin’ny vady aman-janany.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny fanampiana omaly teny amin’ny Fokontanin’i Tanjondava
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT