TALATA VOLONONDRY

Mitaraina ny mponina fa feno


  • Alarobia 21 Janoary 2026

fotaky ny tetikasa lalambe ny tanimbariny

Tonga nidina ifotony tao amin'ny kaominîna ambàivohitr'i Talata Volonondry omaly Talata 20 Janoary ny Solombavambahoaka Avotraina Andriamosa sy ny mpiara-miasa aminy rehefa naharay ny fitarainan'ireo mponina ao amin'ny Fokontany Ambolo, Ambohimiadana, Ankadivoribe ary Antsahamaro. Raha ny fantatra mantsy dia miteraka olana ho azy ireo hatrany ilay tetikasa Auto-route na lalambe mikodana manoloana ny asa fambolena fiharian'izy ireo. Noho ny tsy fahampian'ny tatatra hivoahan'ny rano dia lasa miangona amin'ny tanimbary ny ranom-potaka ka tsy afaka mamboly sy mampiasa ny taniny ireo tantsaha. Nisy noho izany ny fitadiavam-bahaolana ho azy ireo niaraka tamin'ny fiadidian' ny Kaominina Talata Volonondry, notarihin'ny Ben'ny Tanàna mpisolo-toerana sy ny Lefitra voalohany, ny zandarimariam-pirenena , ny avy eo anivon'ny Orinasa SAMCRETE, izay orinasa miandraikitra ny fanatanterahana ilay tetikasa. Tanjona ny hanamaivanana ny fahasahiranan'ireo tantsaha amin'ny asa fihariana sy fivelomana hataony.
Pati
Légende : Tahaka izao ny manjo ny tanimbary ! Ny depiote Avotraina Andriamosa nihaona tamin'ny mponina !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT