TALATA AMBONDRONA FARATSIHO

Tafidina 100 Ar ny vidin’ny mananasy iray, sahirana ny tantsaha


  • Alatsinainy 26 Febroary 2024

Mahatsiaro ho sahiran-tsaina mafy ireo tantsaha mpamokatra any Ambondrona distrikan’i Faratsiho.

Tafidina 100 Ar mantsy ny vidin’ny iray amin’ny mananasy amin’izao any an-toerana raha 300 Ar no lafo indrindra. Vokatry ny haratsian-dalana raha araka ny loharanom-baovao azo no antony mampitontonganabe ny vidin’ny mananasy tahaka izao ka tsy tongan’ny mpanangom-bokatra intsony. Toraka izany koa ireo vokatra hafa toy ny ovy, ny vary. Mbola mahazo fotsim-bary iray kapoaka any an-toerana ny 500 Ar hoy hatrany ny vaovao azo raha 100 Ar dia efa mihinana ovy hatao laoka indray mandeha ny tokantrano iray. Tsy misy vokany ny ezaka hataon’ireo tantsaha mpamokatra noho izany na dia efa miezaka andro aman’alina mba hahatsara ny vokatra vokariny aza izy ireo. Miantso ny Fitondram-panjakana ny mponina ao Ambondrona Faratsiho manoloana izany mba hitodika any amin’izy ireo.
Pati
Legende : Dakan’ny alika tahaka izao ny mananasy ao Ambondrona Faratsiho ao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT